Actualités

Fanambanana basy teny Carion Samy voasazy Rina Rasoava sy ilay mpandraharaha


  • Sabotsy 09 Aprily 2016

Samy voasazy i Riana Rasoava sy ilay mandraharaha. Fampidirana am-ponja 45 andro no azon’ny an-daniny sy ny an-kilany ary samy voasazy handoa onitra ihany koa.

 

 Ilay basy saika nitifirana an’i Rina Rasoava, tonian-dahatsoratry ny gazety Ao Raha kosa dia notazonin’ny fitsarana. Ireo no didim-pitsarana izay nivoaka omaly teny amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy mikasika ny raharaha nampifanolana an’ity mpanao gazetin’ny Ao Raha sy olona iray izay nitonona ho mpiasa eny anivon’ny fiadidian’ny Repoblika ity ka nandrahoana tamin’ny basy an’i Rina Rasoava teo imason-janany teny an-dalambe rehefa nisy ny fifanolanana teo amin’ny roa tonta izay niainga avy tamin’ny fifamaliana noho ny fiaran’izy ireo nifandona ka izao niafara teny amin’ny fitsarana izao. Voaresaka tamin’ity raharaha ity ny fanaparam-pahefana ataon’ireo mpiasam-panjakana ambony sy ny hetraketraka ataony amin’ny mpiara-belona. Teo ihany koa anefa ny fisian’ny fo rano mafana ka nahatonga ny fitsarana nandray izao fanapahan-kevitra izao. Hatramin’ny nandraisan’Atoa Rajaonarimampanina Hery ny toeran’ny filoha-pirenena izay dia i Rina Rasoava no mpanao gazety fahafito nahita disadisa tamin’ny fanjakana sy olona ambony taorian’i Didier sy Jean Luc Rahaga teto Antananarivo, tany Toamasina sy Ste Marie tany nisy ihany koa ny mpanao gazety efa nampihorohoroan’ny mpitondra fanjakana, tany Mahajanga, tany Ihosy ary vao vetivety teo ny mpanao gazetin’ny fikambanana MaTV izay voapanga fa niray tsikombakomba tamin’ny mpaka an-keriny.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT