Rahampitso zoma 8 aprily no hivoahan’ny didim-pitsarana momba ny raharaha mampifanolana an’i Rina Rasoava, mpanao gazety tonian’ny fanoratana ao amin’ny « Ao Raha » sy ilay mpandraharaha teratany vahiny voalaza fa nanambana basy azy teny Carion.
Fikasihan-tanana, fandratrana ary fihazonana fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna no iampangana ity mpandraharaha ity, nolaviny ny fiampangana roa voalohany raha nekeny kosa fa efa lany daty tamin’ny 2011 ny taratasy fahazoan-dalana mitazona basy tany aminy. Ho an’i Rina Rasoava kosa dia notorian’ilay mpandraharaha ho nanompa sy nikasi-tanana ary nandratra azy, nolavin’i Rina Rasoava marin-drano ireo fiampangana azy ireo. Mahatoky ny fanapahan-kevitry ny fitsarana aho, hoy izy nanoloana ireo mpanao gazety maro be tonga teny Anosy omaly. Onitra 250 000 Ar no nangatahan’ilay mpandraharaha nihazona basy efa lany taratasy raha toa ka 1 tapitrisa Ar kosa no nangatahan’ny mpanao gazety Rina Rasoava, izy izay manitrikitrika fa tena nanao herisetra sy nikasi-tanana ity teratany vahiny mpandraharaha milaza fa mahafantatra olona ambony ity.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.