Actualités

Fanambadian’ny lehilahy samy lehilahy na vehivavy samy vehivavy Ho ekena eto Madagasikara ?


  • Talata 06 Janoary 2015

Havadika ny pejy ! Teny famerimberin’ny mpitondra ankehitriny io. Samy manana ny handraisany azy, fa raha ny zava-misy sy ny misoko any ambadimbadika any dia mampieritreritra ihany mba tsy hilazana fa tena mampihoron-koditra.

 Namoaka tenimita (ST/SGB/2004/13/Rev.1) ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana Ban Ki-moon tamin’ny 26 jona 2014, milaza fa eken’ny Firenena Mikambana nanomboka tamin’ny volana jolay taona ny lasa iny ny bokim-pianakaviana mirakitra ny fanambadian’ny olona mitovy taovam-pananahana na inona na inona ny zom-pireneny ary na aiza na aiza ny firenena nitanana an-tsoratra ilay fanambadiana : firaketana azy na ilay bokim-pianakaviana. Tsy nanaiky io tenimita io ny firenena arabo rehetra miampy an’i Rosia, Belarus, ny Fiketrahana Masina, Shina, ny firenena afrikanina rehetra afa-tsy Afrika Atsimo. I Madagasikara kosa tsy nilaza ny heviny tamin’izay. Inona no antony ? Mikasa ny hanaiky sy hankato io fanambadian’ny lehilahy samy lehilahy sy ny vehivavy samy vehivavy io ve ny mpitondra eto Madagasikara amin’izao ? Dia ahoana hoy ny Parlemanta, ny fiarahamonina Malagasy, ny fiangonana … Re mantsy fa efa mandeha ny tsindry avy amin’ny firenen-dehibe tandrefana mba hankatoavan’ny firenena madinika maro io fifanambadiana tsy manara-penitra io ka isan’izany i Madagasikara. Raha ny re aza dia toa ezahin-dry zareo firenen-dehibe ireo ho tratrarina mialohan’ny 2016, fifaranan’ny fepotoam-piasan’ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana amperin’asa io tanjona io. Inona avokoa no ao ambadik’izany ? Mampieritreritra an !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT