Omaly alatsinainy 5 novambra no naseho sy nampahafantarina tetsy amin’ny biraon’ny SAMVA (Société Autonome de Maintenance de la Ville d’Antananarivo) ny fisian’ny fiarabe sy baka handraofana fako ary ireo fitaovana maro hanodinana fako ho lasa zezika avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka.
Natokana ho amin’ny asa fanaon’ny SAMVA isan’andro dia ny fakana ny fakon’Antananarivo ireto fiarabe sy fitaovana ireto ary tanteraka noho ny tetikasa novolavolain’ny minisiteran’ny rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana niaraka tamin’ny kaominina Antananarivo sy ny SAMVA nanomboka tamin’ny taona 2016. Paikady novolavolaina niarahana tamin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo ary mahatratra 6 miliara Ariary ny totalim-bidin’ireo fiarabe sy fitaovana ireo. Anisan’ny tena olana mantsy ny fanenjehana ny hofan’ireo fiarabe manala fako isan’andro ka nahatonga izao famatsiana fitaovana izao. 20m³ ny haben’ny fiarabe ary miisa 16 izy ireo, 51 ireo baka ary hanomboka amin’ity volana ity ireo no hiasa. Mahazaka hatramin’ny 30 taonina ny fiarabe iray amin’ireo rehefa mitondra ny fako ary anisan’ny tena matanjaka sy mety amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Fantatra ihany koa ny fitombon’ny fako amin’izao fotoana mahavokatra ny voankazo sy ny fotoam-pahavaratra izao ka tena ilaina ireo fitaovana ireo.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.