Actualités

Fanalana mpivarotra amoron-dalana Nitohy teny Isotry sy Behoririka


  • Alakamisy 04 Febroary 2016

Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny fanalana ireo mpivarotra amoron-dalana.

 

Nitohy teny Isotry sy Behoririka indray izany afaka omaly talata izay hiitatra hatreny Anosy sy Mahamasina.  Miantso ireo voakasika sahady araka izany ny kaominina Antananarivo Renivohitra mba samy hiomana hiditra amin’ny tsena ara-dalàna, indrindra fa ireo minia mivarotra eny amin’ny “abri-bus”, izay tena mampitaraina fatratra ny mpandeha. Mikasika ny fandaminana ireo mpivarotra manokana dia nambaran-dRandriamampionona Rommel, tompon’andraikitra voalohany misahana ny tsena eto Antananarivo renivohitra fa mitohy hatrany izany. Tafiditra ao anatin’ireny ny fanatsarana sy fanaozana ny tsena hahafahana mandray mpivarotra misimisy kokoa noho ny teo aloha indrindra fa ireo mpivarotra amoron-dalana. Ankoatra izay dia nohamafisiny ihany koa fa azon’ireo mpivarotra amoron-dalana tsy tafiditra any anaty tsena ihany koa ny manenjika ireo tsena isan’andro efa mahazatra hatramin’izay toy ny eny Ambohimanarina ny andro alatsinainy, ny eny Besarety ny talata, ny eny Andravoahangy ny alarobia, ny eny Mahamasina ny alakamisy ary ny etsy amin’ny Pochard sy pavillon raha eny Ambodin’Isotry sy Coum ny sabotsy.  Miantso ny mpividy rehetra ihany koa ny kaominina mba hanatona ireny tsena isan’andro ireny.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT