Actualités

Fanalana ireo 4’mis eto an-drenivohitra Voatora-bato ireo mpiasan’ny kaominina


  • Alarobia 17 Aogositra 2016

Velon-taraina ny amin’ny fihetsika asehon’ireo 4’mis eto an-drenivohitra ireo tompon’andraikitra misahana izany. Raha ny fanazavan’Andrianarivelo Ravo,

talen’ny asa fanadiovana sy ny fahasalamana eo anivon’ny kaominina  Antananarivo Renivohitra dia mahatsiaro sahirana tokoa izy ireo amin’ny fanatanterahana  ny asany. Hanaovan’ireo 4’mis fangala-piery izy ireo. Mody matory ireo 4 mis rehefa tonga izy ireo, manaiky miala mora ihany anefa avy eo ary miverina indray rehefa lasa ireo mpanadio tanàna.  Dia tahaka izay hatrany no zavatra iainan’izy ireo. Anisan’ny nahitana taratra izany ny tetsy Tsaralalana ny alin’ny sabotsy nifoha ny alahady teo. Ankoatra izay, mitora-bato ihany koa ireo 4’mis ireo  toy ny nitranga tetsy ambadiky ny orinasa Colas Anosibe, toerana izay tena be mpatory an-dalana tokoa. Na izany aza anefa dia nambarany fa tsy maintsy mitohy ny asa mandrapahadion’ny tanàna tanteraka.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT