Mpiara-miasa roa, lahy sy vavy no nametraka fitoriana teny amin’ny manampahefana tamin’ny herinandro teo. Ny antony dia voalaza fa misy manaparitaka any anaty tranokala ny sarin’izy ireo izay voalaza fa nanao firaisana
Nilaza anefa ireto olona ireto fa tsy izy ireo no manao io fihetsika io fa misy tetika entina hampiadiana azy ireo ao ambadik’izao. Raha tsiahivina, ity vehivavy izay mpiara-miasa amin’ilay rangahy ity no voalaza fa nandefa e-mail tany amin’ny vadin’ilay rangahy mpitory ka sarin’izy ireo manao firaisana no nalefa tany mba hiadian’ireto farany sy hisarahany. Ny nahafantarana ny marina anefa dia tsy mba adiresin’ilay ramatoa voalaza etsy ambony no mpandefa fa adiresy hafa izay noforonina fa nampitondraina ny anarany fotsiny. Tamin’izany dia nisy ny olona nahiahian’izy ireo ka mpiara-miasa amin’ireto mpitory ireto ihany io olona io. Avy hatrany dia niantso polisy izy ireo ka niangavy ilay olona izay efa nahiahiana hanokatra ny ordinaterany ka tratra tao avokoa ireo sary sy teny vetaveta nentina namelezana azy ireo. Nandritra ny famotorana natao ilay mpisompatra dia niaiky ny tenany fa nahavita ny heloka ary nilaza izy fa tsy tantiny ny fitondran’ilay rangahy azy tao am-piasana ka nanaovany izao tetika izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.