Tao anatin’ny andro vitsy izay dia niparitaka tamin’ny pejy facebook iray misandoka ny SPAT (Société du Port à Gestion Autonome de Toamasina)
ny sary mamoafady tamin’ny endriny maromaro. Saika maneho sy mandrahona tamina fisiana fangalarana vola nataona tovovavy tamina tompon’andraikitra tao amin’ny SPAT, ary mitaky ny hamerenana ny vola raha tsy izany hivoaka ny tsiambaratelo, izay sary mamoafady. Tsy tena kaontin’ny SPAT anefa io ary tsy misy resaka fakana vola izany tao, raha ny loharanom-baovao. Tsy avy ao amin’ny SPAT ny hafatra niniana naparitaka ary tsy nisy ny resa-bola nalaiana tao. Raha ny vaovao farany, dia hitory ny ao ambadiky ny fanelezana resaka mamoafady sy manalabaraka azy ny SPAT. Gaboraraka tanteraka hatrany ny fikirakirana ny “facebook” eto amintsika ary zary lasa ampiasaina amin’ny zava-dratsy. Raha tena henjehina ny olona mampiasa an’ireny na kaonty tsy tena izy aza, dia azo harahina sy henjehina amin’ny alalan’ny adiresy IP (Internet Protocol). Ho an’i Madagasikara manokana dia efa mihatra ny lalàna momba ny heloka amin’ny internet sy ny tambajotran-tserasera dia ny lalàna n°2014-006 tamin’ny 17 jolay 2014. Io ilay lalàna fantatra amin’ny hoe: “loi sur la cybercriminalité”. Tsy vitsy no efa nohenjehina tamin’io, saingy mbola maro no mihevitra ny tsy ho tratry ny aloka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.