Taorian’ny feo niely fa efa azon’ny vehivavy Malagasy atao ny mampita ny zom-pireneny amin’ny zanany sy ny vadiny, raha toa ka teratany vahiny ny vadiny.
Dia nanambara, io omaly io, tetsy Antaninarenina, ny fivondronan’ireo Malagasy misehatra ao anatin’ny ady ho amin’izany famelana ny reny hampita ny zom-pireneny amin’ny zanany izany, izay miara-miasa amin’ireo sampam-pitsirihan’ny firenena mikambana momba ireo mpitsoam-ponenana fa tsy mbola tafapetraka velively izay lalàna mamela malalaka ny renin-jaza hampita ny zom-pireneny amin’ny vady aman-janany izay. Ny lehilahy Malagasy anefa dia afaka mampita izany ho azy amin’ireo vady aman-janany raha toa ka manam-bady vahiny.
Saika firenena silamo
Firenena 27 amin’ny 197 no mbola mampihatra io lalàna mametra ny zon’ny vehivavy tahaka ny eto amintsika io, raha ny tarehimarika navoakan’ity sampam-pitsirihana iraisam-pirenena ity ka saika firenena silamo avokoa no ankamaroany. Ankoatra an’i Madagasikara dia misy an’I Bahamas, Bahrein, Barbade, Brunei, , Burundi, Iran, Irak, Jordanie, Kiribati, Koweit, Liban, Libéria, Libye, Malaisie, Mauritanie, Népal, Oman, Quatar, Arabie Saoudite, Sierra Léonne, Somalie, Soudan, Swaziland, Syrie, Togo ary Emirats Arabes Unis no mbola mampihatra izany.
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.