Tsy tapitra hatreo ny resaka momba ny zava-niseho teny amin’ny Bianco Ambohibao ny herinandro lasa teo, izay nisian’ny herisetra sy ny fikomiana nentina nitakiana ny famoahana an’i Claudine Razaimamonjy.
Nitondra ny heviny ny mpanao politika Alain Andriamiseza avy amin’ny mpanohitra ny sabotsy lasa teo, ka nametra-panontaniana hoe taiza ry Kolonely Ravoavy sy Jeneraly Florens Rakotomahamanina no tsy nijery ireny toe-javatra ireny kanefa rehefa ny mpanohitra no mihetsika dia mailaka ery mandrava izany ? Hatreto tokoa dia tsy mbola nandrenesam-peo ireto tompon’andraikitra, izay matetika no tsy miandry ela manao fanambarana rehefa misy ny hetsika mifandraika amin’ny fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana tahaka ireny ? Nahazo baiko avy amin’ny tompon’ andraikitra ambony amin’ny tsy tokony hisakanana ny hetsika sa kosa nisy zavatra hafa natao ? Miseholany ny tombo sy hala eto amintsika ary anisan’ny miteraka tsy ny tsy fahatokisan’ny vahoaka ny mpitandro ny filaminana ny fanaovana tombo sy hala. Andrasana izay ho valin-tenin’ny eo anivon’ny mpitandro ny filaminana sy ny fandraisana andraikitra manoloana iny toe-javatra iny. Andrasana ihany koa ny fanambaran’ny Antenimierandoholona satria ny lefitr’ity andrim-panjakana ity mihitsy, dia i Riana Andriamandavy VII mihitsy no nitarika ireo mpikarama an’ady sy nanao toetram-boto teny an-toerana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.