Actualités

Fanakorontanana fanjakana amin’ny grevy Miala any ny paikady hisorohana azy


  • Talata 26 Martsa 2019

Hanova fiasa tanteraka ny mpitondra fanjakana hifehezana ny fampizorana ara-dalàna ny fitantanan-draharaha sahaniny.

Tanjona voalohany amin’izany ny fanafoanana ny fitakiana sy ny fitokonana fanaon’ny mpiasam-panjakana. Hihenjana ary tsy handefitra amin’ny fanohintohinana ny fitondrana mihitsy ny fanjakana manomboka izao. Re fa efa an-dalam-pamolavolana ankehitriny ny paikady rehetra hoenti-mamongotra ny fitakiana sy fitokonana nahazatra ny mpiasam-panjakana hatramin’izay, ary natao fandrahonana ny mpitondra. Miafina anaty fitakiana sendikaly ny fanakorontanana ampanaovin’ny mpanao politika hanozongozonana ny fanjakana matetika, ka hofaizina avy hatrany izay mitarika hetsika mifandraika amin’io, hoy ny loharanom-baovao azonay. Tohin’ny fanadiovana ny asam-panjakana efa irosoan’ny mpitondra ankehitriny izany sady famerenana ny hasin’ny fahefany eto amin’ny tany sy fanjakana. “Tsy azo vazivazina ny firenena raha te hanana ny tanjany fa afaka mifindra asa hafa ireo tsy afa-po amin’ny toerana nekeny hidirana”, hoy ny feo faheno any ambony any amin’izao. Miova sata, miova andriana ny mpiasam-panjakana Malagasy ka tsy maintsy hanaraka fitsipi-pifehezana hafa noho ny gaboraraka nahazatra azy. Ho foana koa ny fandraisan-karama nefa tsy miasa mandritra ny fitokonana lavareny, mampitondra vesatra ny vahoaka.

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT