Nampahafantarina omaly alakamisy 29 novambra tetsy amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy Ambatovinaky ny olana mitranga momba ny tanin’izy ireo etsy Androhibe. Raha tsiahivina, tany efa nangatahan’ny fiangonana nanomboka tamin’ny taona 2003 io tany io ary nomen’ny fanjakana azy tamin’ny taona 2012.
Amin’izao anefa dia misy ny disadisa samihafa satria misy andian’olona ampirisihan’ny solombavambahoka Naivo Raholdina manelingelina ny fiangonana eo foana ary mikasa hanatanteraka fotodrafitrasa eo mihitsy. Tamin’ny sabotsy lasa teo aza moa dia nilaza ireo tompon’andraikitra fa ankizy madinika sy vehivavy manompa sy miteny ratsy no tonga betsaka nanakorontana teny. Taty aoriana rehefa nilaza ny prefet de police ny amin’ny tokony hitondran’ny an-daniny sy ny an-kilany ny taratasy fanamarinana dia nitondra ny azy ny FLM fa nandeha tanam-polo fotsiny ireo solontena avy amin’ny fokontany. Nanamafy hatrany ny FLM fa azy ny tany ary efa nahavita fotodrafitrasa tahaka ny tobim-pitsaboana, akany fitaizana tanora eny izy ireo. Nanazava ihany koa izy ireo fa tena miditra lalina ary mamoy fampiadiana amin’ity raharaha ity Ingahy depiote ka mitady olana sy manasarotra tanteraka ny raharaha. Tsy hiady velively amin’ny mponina Androhibe anefa ny FLM ary afaka miresaka tsara raha misy mangataka fanampim-pahazavana. Manao antso avo amin’ny fanjakana ny fiangonana ny amin’ny fandraisan’andraikitra amin’ny olona mampirisika ireo mpanakorontana ireo ary hampiakatra izany eny amin’ny fitsarana raha ilaina satria efa nomena ny FLM io tany io.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.