Taorian'ny fampahafantarana ireo mponina ao anatin'ny kaominina Alasora sy ny manodidina fa voasoratra anaty taratasy iray avokoa ny lisitry ny parcelle misy ny tanin'izy ireo mikasika ny fanajariana ny faritr'i
By-pass dia tonga nirodorodoro teny amin'ny biraon'ny fananan-tany eny Avaradrano avokoa izy ireo omaly, fivoriana niarahana tamin'ny Minisiteran'ny fanajariana ny tany. Raha ny fanazavan'izy ireo dia lazaina fa 10 metatra miala ny arabe no tsy azo hanorenana eny amin'ny By-pass mba hahafahan'ny rano mandeha. Fantatra anefa fa voakasika hatrany anaty tanàna lavitra mihitsy izany izay efa misy trano miorina avokoa ny ankamaroany. Ho ana raim-pianakaviana iray monina ao Alasora dia nambarany fa tonga hatrany amin'ny “4 ème plan” mihitsy ny fakana ny tanin'izy ireo, izay notsindriany manokana fa misy tetika ambadika fa tsy ilay tetikasa fanajariana ny faritr'i By pass loatra. Nambarany ihany koa fa ho an'ity kaominina ity fotsiny dia mahatratra hatrany amin'ny 250 ha ny tany voakasika, izay tsy nanaovan'ny kaominina fampiantsoana tsirairay akory fa peta-drindrina no natao ka nampitroatra mafy ny mponina. Nangotraka ny fihaonana tamin'ny ankapobeny izay nelanelanin'ny tale jeneralin'ny fananan-tany Randriamanohisoa Gerard. Niezaka ny nanazava ity farany nandritra izany saingy mbola nambaran'ny mponina hatrany fa mifanohitra tanteraka tamin'ny voalazan'ny kaominina ny fanazavany, antony nampitroatra azy ireo. Nanambara moa ity tale jeneraly ity fa misokatra ho an'ny rehetra ny varavarany ho an'ireo mila fanazavana sy fanampiana. Tsiahivina fa fokontany miisa dimy no tena voakasika dia Ankaraobato, Ankadievo, Domaine avaradrano, Ankazobe ary Mandikanamana. Andrasana izay mety ho tohin'ny raharaha.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.