Anisan’ireo firenena nanao tatitra mikasika ny fanadinana iombonana fanao isaky ny vanim-potoana voafaritra eo anoloan’ny Filan-kevitry ny zon’olombelona tao Genčve i Madagasikara ny herinandro voalohan’ny volana novambra 2014
Nitondra fanazavana momba ireo ezaka vitan’ny firenena Malagasy tamin’ny alalan’ny tati-pirenena faharoa eo amin’ny sehatry ny zon’olombelona taorian’ny tati-pirenena voalohany ny taona 2010 ny lehiben’ny delegasiona Ramanantenasoa Noëline, minisitry ny Fitsarana. Nampahery an’i Madagasikara hanohy ireo ezaka natao hanatsarana ny tontolon’ny zon’olombelona ireo firenena 72 mpifanakalo hevitra. Voatsonga manokana ohatra ny sehatry ny fahasalamana, fanabeazana, asa, fampiroboroboana ny zon’ny ankizy sy ny vehivavy ary ireo sokajy marefo, ny fanavaozana ny rafi-pitsarana sy fanasaziana izay voa mafy nandritra ny krizy naharitra 5 taona. Nahazo sitraka tamin’ny fahaizana nandrafitra ny tatitra sy ny famaliana mazava ireo fanontaniana ny solontena Malagasy. Natao fototra handrafetana ireo fandaharanasan-tsehatra fampandrosoana ireo tolo-kevitra neken’ny mpanadina ahazoam-pamatsiam-bola avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka hanarina ny firenena. Indrokelin’ny mpandrafitra kosa ny nahatafiditra an’i Madagasikara anisan’ireo firenena 14 voasokajy ho mampanahy ny endriky ny fanajana ny zon’olombelona ao aminy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.