Actualités

Fanajana ny lalŕna Ny fahefana mpanatanteraka no olana


  • Talata 04 Oktobra 2016

Na hitam-poko, hitam-pirenena ho nianianana fa ho hajaina manontolo aza ny lalŕna dia zava-poana rehefa tsy manaja izany ny mpanatanteraka, hoy ny mpitondra tenin’ny vondrona Mapar, Pierre Houlder

 

. Na dia mazava be aza ny voarakitra anaty fehezan-dalàna momba ny fifidianana dia mbola niaraha-nahita ihany ireny minisitra manao fampielezan-kevitra nampiasa fitaovam-panjakana ireny, hoy ny fanehoan-keviny tetsy Anosy, omaly. Ny dikan’izany, hoy izy, dia azo hatsaraina ny fandraketana an-tsoratra fa saingy any amin’ilay resaka fomba fisainana sy fanaovana politika mihitsy koa no tena mila amboarina. Ny andrasana amin’ny CENI izany dia ny hoe tena hanao izay hanatsarana ny fifidianana eto amintsika tokoa ve izy? Tena mahaleo tena ve ity rafitra ity, ohatra, ary hatraiza izany, eo amin’ny ara-bola? Mbola hiandry ny sitrapon’ny governemanta ka azony ovaovana ve ny raki-tsoratra ataon’ny CENI? Inona no fahefan’ny CENI hanasazy izay rehetra tsy manara-dalàna amin’ny fifidianana? Mila apetraka izany fanontaniana izany, hoy izy, satria dia niainga tamin’ny fifidianana avokoa ny krizy teto amin’ny firenena ary isan’izany ny goavana indrindra dia ny saika nampiady ny milisy sy zana-dambo tamin’ny 2002 izay ahiana hiverina sy hihamafy lavitra raha toa ka mbola tsy tomombana ny fikarakarana ny fifidianana eto, indrindra ny fifidianana filoham-pirenena.

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT