Actualités

Fanaiky Solomiral Tsy ampy 30.000 dôlara ny vola handidiana azy any Inde


  • Sabotsy 03 Novambra 2018

Amin’ny volana desambra ho avy izao raha tsy misy ny sampona no hiatrika fandidiana any Inde i Fanaiky ilay mpitendry gitara beso ao amin’ny tarika Solomiral.

 

 

Fandidiana karazany telo no hatao aminy  izay hahakasika ny voany, ny fony ary ny maso vokatry ny aretina diabeta mahazo azy. Volabe no ilaina, hoy ireo fianakaviany. Hatreto anefa dia vao 30 tapitrisa Ar no eo am-pelatanan’izy ireo ka mbola ilana  30.000 dôlara fanampiny hahafahana miatrika io fandidiana io. Ankoatra izay,  mandrapiandry ny fiaingany eto an-tanindrazana dia tsy maintsy manao dialyse in-telo isan-kerinandro ihany koa ny tenany, izay ilana volabe tokoa. Miantso an’ireo malalatanana sy ny mpitondra fanjakana i Fanaiky sy ny fianakaviany mba hanolo-tanana azy ireo indray. Tsiahivina fa efa nivoaka ny hopitaly ity mpanakanto iray ity ary efa mba tsaratsara kokoa noho ny teo aloha ny fahasalamany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT