Actualités

Fanahiniana sa fihantsiana ? Niparitaka eran’Antsirabe ny diky


  • Zoma 23 Janoary 2015

Asa na efa tena politika maloto mihitsy na fihantsiana ny mpitantana ny tanŕnan’Antsirabe fa dia niparitaka tamina toeram-panariam-pako maro ny diky tao Antsirabe ny alakamisy 22 janoary lasa teo.Tsy fantatra ny tompon’antoka tamin’izany fa ny azo antoka dia olona nanam-bola no afaka nanao izany. Nataon’ireo tsy mataho-tody ao anatin’ireny “Bidon” miloko mavomavo avy nitoeran’ny menaka

 

 ireny mantsy ireo maloto ka natobin’izy ireo teo Ambohimiandrisoa ny sasany ary nisy maloto hafa tamin’ny gony teny Mahazoarivo sy Antanimenakely tsy lavitra ny tobin’ny zandary. Niisa 40 “bidon” izany teo am-boalohany saingy nalain’ireo mpitsindroka fako ny sasany ka naongan’izy ireo ny maloto ary re fa nosasan’izy ireo indray ny “bidon” avy eo namidin’izy ireo ka 21 sisa no tavela teo tratra maraina satria alina hono no nanaovan’ireo tsy mataho-tody ny fanariana ireo maloto ireo. Ny talata 20 janoary mantsy dia namoaka naoty ny Kaominina ambonivohitra mikasika ny sokajim-pako azo ariana eny amin’ireny toeram-panariam-pako ireny ka dia izao ny valin-kafatra. Antso avo sisa no vitan’ny tompon’andraikitry ny Kaominina, Rtoa Ranarisoa Maminirina amin’ireo mba hitsinjo ireo mpiasan’ny Kaominina izay misahana ny fanadiovana satria mba samy Malagasy ihany. Tahaka izany koa no nataon’ny tompon’andraikitry ny BMH, izay nilaza fa handraraka fanafody  mba tsy hiparitahan’ny valanaretina no sisa azo atao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT