Nampiaka-peo omaly ireo foko fito any Atsimo manoloana ny fanagiazan’ny mpampandry tany ny ombin’ingahy Jaonary miisa 1.756, nanomboka ny 25 jolay lasa teo.
Hatreto mantsy dia tsy mbola nahitam-bahaolana mihitsy izany na dia efa nisy aza ny fidinana ifotony notanterahin’ny praiminisitra tany Antanimeva Morombe niaraka tamin’ireo mpikambana ao anatin’ny governemanta ny 28 aogositra lasa teo. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa tsy manaiky ny tsindry hazo lena, ary mitsipaka mari-drano ny fanamparam-pahefana miendrika fandrobana amin’ny fakana an-keriny tsy ara-drariny ny ombin’ingahy Jaonary izay ataon’ireo miaramila mpampandry tany sy dinabe rampadango ankehitriny izy ireo. Mitaky ny fahamarinana izahay, hoy Atoa Sazalahy Tsianihy, mpandrindram-paritry ny Toko be telo ka aoka tsy ampiadianareo mpitondra izahay Foko Masikoro sy ny Antandroy, ary tsy ekenay ny fanjakana tsy refesi-mandidy, fa hajao ny lalàna. Tondro-molotra ve no handrobana fananan’olona », hoy Kolonely Fanapera (manambonitra ambony nisotro ronono), mpikamban’ny FIMA (Foko Masikoro Arivolahy). Notsiahivin’izy ireo moa fa tsy miaro fahatany an’Ingahy Jaonary izy ireo fa rehefa mpangalatra sy diso kosa dia tokony hosaziana. Tsiahivina moa fa nahitana ny solontenan’ny foko Masikoro, Antandroy, Antanala, Vezo, Mahafaly, Bara ary Antanosy tao anatin’ity fihaonana tamin’ny mpanao gazety ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.