Hotanterahina ny talata 20 septambra ho avy izao ny fitsarana ny filohan’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina, taorian’ny iray volana nampidirana am-ponja vonjimaika azy.
Nambaran’ny mpikambana nandritra ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety omaly fa valifaty sy fankahalana ary lolom-po fotsiny no antony nampidirana am-ponja ny filohany. Anisan’ireny ireo fikambanana miisa folo mpiara-dia aminy toy ny Association des jeunes Analamanga, ny mpanao asa tanana madinika, ny beantitra, ny onjan’Ikopa… izay samy nanamafy ny tsy fahazakan’ny sasany ny zava-bitany noho ity farany nanasoa sy akaikin’ny vahoaka loatra. Mahatoky ny fahendren’ny Fitsarana, araka izany, izy ireo mba ho tena fitsarana handala ny fahamarinana tokoa no sady hijery ny rariny sy ny hitsiny no handray an-tanana ny raharaha amin’io andro io. Ankoatra izay dia hangatahin’izy ireo ihany koa ny mba hahahafahan’ny fitsarana mihaino ireo vavolombelona ho avy amin’io andro io miaraka amin’ny porofo rehetra misy eo am-pelatanany. Hisalotra ambonin’akanjo fotsy avokoa moa ny mpikambana rehetra amin’io andron’ny talata 20 septambra io mba ho mariky ny fahadiovam-pitondrantenan’ny filohany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.