Manao antso avo amin’ny fikambanana sendikaly rehetra misy ireo mpikambana sendikaly miombona ao amin’ny USAM na ny « Union des syndicats autonomes de Madagascar » mba haneho firaisankina amin’i Oliva Andrianalimanana,
mpitarika sendikaly eo anivon’ny Jirama izay nampidirina am-ponja ny zoma lasa teo taorian’ny nampahafantaran’izy ireo fa mitohy ny fitokonan’ny mpiasan’ny Jirama. Fanaovana taratasy fisoratam-panambadiana sandoka mba hahazoana fiantohana ara-pahasalamana no anenjehana an’i Oliva Andrianalimanana ka izay no nampidirana azy am-ponja vonjimaika mandra mpiandry ny fitsarana azy izay mbola amin’ny 11 novambra ho avy izao. Manahy kosa ireo mpikambana sendikaly fa misy ifandraisany amin’ny maha mpitarika fitokonana eo anivon’ny orinasa Jirama ny tenany izao antony nampidirana an’Atoa Oliva ho MD avy hatrany izao. Raha araka ny vaovao voaray dia efa tamin’ny volana martsa no nisehoan’ity raharaha ity ary efa nisy fanadihadiana natao. Ankehitriny amin’izao fotoana mampivaivay ny fitakian’ny mpiasan’ny Jirama ny fialan’ny tale jeneraly sy ny fandravana ny filankevi-pitantanana izao no mivoaka ny didy fampisamborana. Manoloana izany rehetra izany dia manao antso avo amin’ny mpikambana sendikaly rehetra eto an-toerana sy eo anivon’ny iraisam-pirenena ny USAM mba hanavotana an’i Oliva Andrianalimanana sy mba hangatahana ho azy ny fahafahana vonjimaika.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.