Actualités

Fanagadrana an’i Hiary Rapanoelina Tohina ny Amerikanina


  • Alarobia 15 Martsa 2017

Sady tohina no sanganehana ny Masoivoho Amerikanina manoloana ny didim-pitsarana herintaona an-tranomaizina nanamelohana an'ilay mpandrindra kaonty “Facebook” Hiary Rapanoelina tamin'ny herinandro lasa teo.

 Izy izay voaheloka sy notsaraina na dia efa nosintonina aza ireo fitoriana azy noho ny fanalam-baraka sy antony hafa nanenjehana azy. Fototry ny demokrasia matanjaka ny fahalalahana maneho hevitra, ary mampirisika ny governemanta izahay mba haka ny toerana maha mpitarika azy eo amin'ny fanohanana sy fiarovana ny zon'ireo olom-pirenena ao aminy, hoy ny eo anivon’ny masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara. Anisan’ny sarotiny amin’ny fanalalahana ny fanehoan-kevitra ny Amerikanina ary sahy mijoro hatrany manoloana ny toe-javatra iray heveriny fa tsy ara-drariny sy manohintohina ny lafiny maha olona. Tsy hay kosa izay hafitsoky ny fanjakana manoloana ity raharaha ity. Na efa any am-ponja aza i Hiary Rapanoelina  amin’izao fotoana ity, dia fantatra fa tsy mankasitraka ny didim-pitsarana ny mpisolovava azy, ary hampiakatra fitsarana tampony.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT