Actualités

Fanagadrana an’i Hiary Rapanoelina Milaza ny heviny ny filohan'ny SMM


  • Alakamisy 16 Martsa 2017

Miteraka adihevitra goavana ny raharaha Hiary Rapanoelina amin’izao fotoana izao, indrindra fa taorian’ny nilazan’ny Masoivoho

 Amerikanina fa tohina tanteraka ity masoivohona firenena matanjaka iray ity manoloana didim-pitsarana azy higadra herintaona an-tranomaizina sazy mihatra na efa nanatsoaka ny fitoriana aza ireo sokajin’olona rehetra nitory. Naneho mihitsy ny Amerikanina tamin’ny alalan’ny masoivohony fa fanohintohinana ny demokrasia izany, ka mampirisika ny governemanta mba haka ny toerana maha mpitarika azy eo amin’ny fanohanana sy fiarovana ny zon’ireo olom-pirenena izany. Tsy niandry ela kosa ny fanazavana izay miendrika valin-kafatra, ka nitondra ny heviny sy nanome fanazavana momba ity raharaha ity ny filohan’ny sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM), Fanirisoa Ernaivo omaly. Nanamarika anefa izy fa tsy mpitondra teny ofisialin’ny fitsarana nandritra ny fanehoan-keviny. Zavatra 3 no nanenjehana azy dia fanalam-baraka, fandrahonana fakana an-keriny ary fandrahonana ho faty. Rehefa nandeha ny raharaha ka nanatsoaka fitoriana ny mpitory dia ny resaka fanalam-baraka no nitsahatra ny fanenjehana. Na nanala ny fitoriana kosa ny mpitory, ho an’ireo vesatra 2 kosa dia tsy mitsahatra ny fanenjehana satria manohintohina ny filaminam-bahoaka. Tsy mampiova ny fanenjehana ny fanatsoahana ny fitoriana satria efa tena zava-doza ny fandrahonana fakana an-keriny sy fandrahonana ho faty, hoy io tompon’andraikitra io. Tsy nitandrina ary namela ireo olona malalaka izy tao anaty fesiboky, ka tonga tamin’ny resaka fakana an-keriny sy fandrahonana ho faty. Anisan’ny tokony hohenjehina ihany koa ireny olona ireny saingy ny olana dia kaonty tsy tena izy no nampiasain’ny ankamaroany, ka Hiary Rapanoelina no voasazy noho ny tsy fitandremana, raha aravona ny fanazavan’ny filohan’ny sendikan’ny mpitsara. Heverina, araka izany, fa mety tsy hampiova ny hevitry ny fitsarana ny fanehoan-kevitry ny Masoivoho Amerikanina.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT