Actualités

Fanafoanana ny halatra omby Vita amin’ity taona ity, hoy ny profesora Tsiavaliky Célestin


  • Talata 20 Desambra 2016

Manana antoko politika 371, antokom-pinoana 230 any ho any, fiarahamonim-pirenena tsy tambo isaina, mpitandro filaminana marobe sy tantsaha mpamboly sy mpiompy ary mpanabe tsy voaisa isika,

 hoy ny profesora  Tsiavalaky Céléstin raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely, omaly. Ny dikan’izany dia tsy tokony hisy anjara toeran’ny mpangalatra omby intsony eto manoloana ireo hery marobe ireo. Na dia rahampitso aza dia azo foanana ny halatra omby saingy ny finiavana hanao izany no ilana fanentanana.  Efa tsy te hangalatra omby intsony ireo dahalo saingy ireo hery hafa avy any ivelany no manery ny mpitondra antsika hanakarama ny  mpangalatra omby noho ny tombontsoan’ireo vahiny. Raha manapa-kevitra ny mpitondra fa hanafoana izany dia ho tapitra mialoha ny faran’ny taona ny halatra omby eto.  Anisan’ny lalàna tokony hapetraka ny tsy fahazoana mitondra firenena raha tsy manana omby.  Anio ka hatramin’ny 24 desambra izao dia handresy lahatra antsika mianakavy ao amin’ny tahala Rarihasina momba izay vinany izay ity profesora nitrandraka manokana momba ny omby ity.

Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT