Actualités

Fanafoanana ny delestazy Efa eo am-pijerena izany ny fanjakana


  • Talata 23 Desambra 2014

Naneho ny heviny momba ny tranga mampalahelo niseho tany Toamasina ny faran’ny herinandro lasa teo ny minisitry ny Toekarena sy ny Teti-pivoarana misahana vonjimaika ny minisiteran’ny Angovo Raveloharison Herilanto

Diso toerana aminy ny fanapotehana sy fanimban-javatra nitranga tao amin’ny orinasa Jirama tany an-toerana izay tsy misy valaka tamin’ny zava-nisy tany Fenoarivo Atsinanana. Olana kely ara-teknika no tsy mbola mampandeha ireo gropy 5 lehibe hamahana ny fahatapahan’ny herinaratra any amin’ny faritra Atsinanana izay tokony ho niasa nanomboka ny sabotsy 20 desambra lasa teo, araka ny fanazavany. Tanjona ny hanaovan’ny Malagasy fety tsy hisy delestazy, hoy ihany ny tenany. Efa eo am-pijerena ny fanafoanana ny delestazy rahateo ny fanjakana toy ny fampitaovana ireo gropy any amin’ireo faritra maro tahaka ny any Soalala izay vinavinaina handeha amin’ny 29 desambra 2014 izao. Manaporofo ny fandraisana andraikitra ny fanendrena ny tale jeneraly vaovaon’ny Jirama, hoy ny minisitra miaraka amin’ny famerenana amin’ny laoniny ireo fitaovana famokarana herinaratra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT