Actualités

Fanafoanana ny CEPE Tsy mbola ato ho ato, hoy ny minisitra Paul Rabary


  • Alatsinainy 21 Novambra 2016

Mandeha be ny feo eny anivon’ny fiarahamonina eny, indrindra ny eny ambanivohitra fa hofoanana ato ho ato ny fanadinana CEPE ary hanomboka hampihatra ilay drafi-pampianarana Plan Sectoriel de l’éducation (PSE) ny fitondram-panjakana mijoro ankehitriny.

 

 Nitondra fanazavana mifandraika amin’izay ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Paul Rabary ny faran’ny herinandro teo. Nambarany fa mbola ao anatin’ilay fakan-kevitra nasionaly, miampita any amin’ny rezionaly sy ireo tompon’andraikitra eny anivon’ny sekoly tsy miankina maro samihafa eto amintsika ankehitriny ny asa tanterahin’ny CNE (Comité National de l’éducation). Aorian’izay vao miala miandalana ny CEPE, hoy hatrany izy, fanovana izay tsy ho tampoka akory fa tsy maintsy hisy ny fampilazana mialoha. Midika izany fa tsy tanjona ho an’ny ankizy mpianatra iray na ny ray aman-dreniny intsony ny fahazoana ny mari-pahaizana CEPE, fa sivana ho an’ny minisitera. Ny tanjona, hoy izy dia tsy hijanona amin’ny fahaizana taratasy any am-pianarana fotsiny ny  fianarana ho an’ny mpianatra iray fa azony hampiharina amin’ny fiainana andavanandro hahafahany mamorona asa ho an’ny tenany. Notsindriany manokana fa ho an’ny telo taona voalohany dia ny famolahana ny mpianatra hahay hifehy ny teny Malagasy toy ny fanoratana, ny fanisana ary ny famakiana no tena hotanterahina. Ao amin’ny telo taona faharoa vao ho lasa teny hoenti-mampianatra ny teny frantsay.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT