Avy nitsangantsangana teny amoron-dranomasina ity ankizy vavy 17 taona no nisy nanendaka tokony ho tamin’ny 9 ora alina teo teny amin’ny sisin-dalan’ny tribonaly Mahajanga be
. Telo lahy ireo mpanendaka no nanao ny asa ratsiny. Nitady izay zavatra lafo vidy teny amin’ilay kala kely ireto jiolahy. Tsy nisy azony nomena anefa. Niainga avy hatrany no tsatok’antsy tamin’ilay zaza ary niezaka niantso vonjy izy. Nisy nahare ihany ny antso saingy nitsoaka nandositra ireo jiolahy. Nentin’ireo olona teny amin’ny hopitaly ity zaza voaendaka. Naratra avokoa ny vatany. Nametraka fitoriana teny amin’ny polisy ny ray aman-drenin’ilay zaza. Olona tsara sitrapo no nanome loharanom-baovao an’ireo mpitandro ny filaminana ka nahafahana nisambotra ny roa lahy tamin’ireo jiolahy mpanendaka teny amin’ny toerana fisotroana toaka. Tratra koa ny iray taorian’izay. Hatolotra ny fitsarana anio izy ireo.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.