Jiolahy sivy lahy nirongo basy indray nanafika tokantrano telo samihafa tao Ambatomitsangana, kaominina ambanivohitra Ampanotokana, ny alin’ny sabotsy teo
Voaroba tamin’izany ny lelavola iray tapitrisa ariary mahery, ary olona roa no naratra mafy tamin’ity fanafihana ity, ka ny iray tapaka ny feny vokatry ny fianjerana nitsambikina varavaravakely nitsoaka ireo jiolahy nanapoaka basy, raha voatifitra teo amin’ny feny kosa ny lehilahy faharoa namany nanaparan’ireo jiolahy ny hatezerany.
Niditra amboletra, namaky varavarana
Raha ny vaovao voaray dia niditra amboletra tao amin’ ny trano notafihany ireo jiolahy mitam-basy ireto rehefa mbola sondriana tao anaty torimaso ny olona, rehefa avy namaky ny varavarana. Trano voalohany voatafika nahazoan’ireo tsy mataho-tody lelavola iray tapitrisa ariary. Mbola nahazoan’izy ireo vola ihany koa ny trano faharoa voaroba. Mitovy amin’izany ny trano fahatelo. Talohan’io (zoma tamin’ ny 4 ora maraina) dia jiolahy dimy nitondra antsy sy « Big boss » no nanafika mpivarotra tao Imerinavaratra sy Ambohijatovo, Fokontany Fiadanakely Mahitsy. Lasa tamin’izany ny vola 500 000 Ar, finday dimy, kara-panondro ary karatra fampiasa any amin’ ny banky.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.