Nokasain'ny andian-jatovo maromaro halaina an-keriny ny lehilahy iray ahiana ho nahafaty olona izay voatana nanaovana famotorana tao amin'ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena Andapa .
Nandeha ny tora-bato ary niditra an-keriny tao amin’ny biraon’ny zandary ireo andian-jatovo. Niezaka ny nanakana hatramin'ny farany izany ireo zandary tamin'ny fifampiresahana. Nisy anefa ireo tsy resy lahatra fa niziriziry hatrany ny haka io olona io na dia maro aza no efa nandeha nody, indrindra ireo raiamandreny. Potiky ny tora-bato ny varavaran'ny borigady Andapa sy ny varavarankely ka nirohotra ny hiditra tao anatin'izany ireo tanora ireo. Noho ny fiarovana ny tsy hahavery ireo fitaovam-piadiana saro-pady, noho ny fiarovana ny ain'izy ireo dia voatery nampiasa ny fitaovam-piadiana teny aminy ireo zandary vitsivitsy niaro ny birao. Zandary iray moa no naratra mafy voan'ny vato.
Nisy ny lehilahy 2 maty tamin'ireo tanora ireo, raha nisy koa ireo naratra. Nanamafy ny zandarimariam-pirenena fa faritra mena tsy azo hihoarana sy hanaovana amboletra ny lakazerna, indrindra rehefa noferan'ny tompon'andraikitra tamin'ny alalan'ny fampitandremana naverina im-betsaka tamin'ny feo avo. Ny Zandarimariam-pirenena , araka ny fampitam-baovao voaray dia mirary fiononana feno ho an'ny fianakavian'ny namoy ny ainy ary mirary fahasitranana feno ho an'ireo maratra. Mamerina hatrany koa anefa izy ireo ny tokony hialàna amin'ny kolontsaina tia fitsaram-bahoaka satria raha ny zandarimariam-pirenena manokana dia efa mikely aina amin'ny fanatanterahana ny asany ary mba hanaovana famotorana ka hanolorana ireo voarohirohy eny amin'ny fitsarana.Vao 2 andro moa izay no nisy polisy telo mirahalahy namita iraka ara-dalàna tany Fenoarivo Atsinanana no niharan’ny fitsaram-bahoaka ka namoy ny ainy.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.