Ny alakamisy 27 novambra lasa teo no nisy nanafika tokony tamin’ny 07ora sy sasany hariva teo am-podiana avy nivaro-kena ity teratany sinoa – malagasy 52 taona monina ao Ankirihiry Atsimo P/elle 11/23, izay namoy ny ainy noho ny fahaverezan-dra be loatra teo am-pitondrana azy hoentina hotsaboina teo anivon’ny hopitaly be
Toamasina, raha niezaka ny tsy nijanona mihitsy na efa voan’ny bala kalaky roa teo amin’ny tongony aza, mba tsy hahavery ny vola nentiny sy ny moto teny aminy. Raha ny vaovao nangonina dia jiolahy 03 no efa niambina azy tao Ankirihiry, raha vao nandalo tamin’ny moto ity mpivarokena ity dia avy hatrany norarafan’ireto jiolahy ny tifitra, izay nahatonga fisaritahana teo amin’ireo mpandalo ny arabe izay nohararaotin’ilay mpivarokena nitsoahana mba entiny hanavotana ny ainy, saingy izao mbola nitarika ny fahafatesany izao ihany. Vokany, nampiantso mpanao gazety ny fianakaviany nanazava ny tena zava-nisy ny sabotsy 29 novambra teo. Nisy ny antso avo nataon’ireto fianakaviana tamin'ny mpitandro filaminana mba hamoahan’izy ireo ny marina momba iny raharaha iny. Ho an’ireto fianakavian’ny maty dia basy fampiasan’ny mpitandro filaminana kalaky ary bala na mpitandro ny filaminana no nampiasan’ireto jiolahy. Rehefa noesorin'ny mpitsabo ny bala dia nomena avy hatrany ny polisy, ary fantatra tamin’izany fa misy toby tompon’ireo bala roa ireo izay angatahan’ny fianakaviana ny hamoahana azy ho fantatry ny Malagasy satria misy laharana ireo bala ireo, sy hamoahana ny atidoha amin’izao fiparitahan’ny basy kalaky sy bala mamono olona lava izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.