Actualités

Fanafihana mitam-piadiana Voasambotra ihany i Maka


  • Alatsinainy 13 Oktobra 2014

Nisy jiolahy nanafika ny sekolin-dry masera Notre Dames de Lourdes ao Toamasina omaly maraina tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany. Jiolahy efatra no nanafika ireo masera eo am-piomanana hivavaka maraina tao amin’ny sekoly, ka lasa tamin’izany ny vola 40.000 Ar. Nihevitra ireto jiolahy fa be vola ny sekoly amin’izao fidiran’ny mpianatra izao

Toy ny hita amin’ny horonan-tsarimihetsika ireny ny zava-nisy, satria nanao tari-dositra sady nanapoaka basy ireto jiolahy, saingy mailaka koa ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny UIR (Unité d’Intervention Rapide) sy mpivavaka vao maraina iray mpiasan’ny ladoany avy eo anivon’ny BMS (Brigade Mobile de Surveillance). Nanomboka teo amin’ny sekoly Notre Dames de Lourdes hatrany amin’ny trano fandraisam-bahiny « H1 » « cité des douanes » ny fifanenenjehana ka nahatraran’ity mpiasan’ny BMS ity sy ny mpitandro ny filaminana an’i Maka, anisan’ireo mpitarika ny fanafihana mitam-piadiana ao Toamasina, efa fantatry ny olona notafihany amin’ny holatra eo amin’ny handriny sy ny masony ary ny tarehiny, tratra tany aminy koa ny basy PA vita gasy sy bala na « chevrotine ». Tratra niaraka taminy koa ilay mpamily mpiray tsikombakomba aminy miasa eo anivon’ireto masera. Ny tolakandro  kosa no nisamborana  ny 2 lahy ambiny tamin’ireo jiolahy. Efa eo am-pelatanan’ny polisy misahana ny heloka bevava ny raharaha.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT