Nody ventiny ny rano nantsaikana ho an’ireo mpitandro ny filaminana tao Mahajanga tamin’ny fitadiavana ireo mpanao ratsy tamin’ny fanafihana misesy tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo
. Ny sabotsy alina dia nisy fanafihana in-droa niafara tamin’ny fifampitifirana tao amin’ny fokontany Antanimalandy Sotema. Ny alahady tokony ho tamin’ny 7 ora hariva dia mbola nitohy hatrany ny fanafihana. Tsara sitrapo iray no nanome loharanom-baovao ireo mpitandro ny filaminana fa misy andian-jiolahy mirongo basy mpanafika mipetraka eny amin’ny fokontany misy azy no mampihorohoro ireo mponina ao ary anisan’ireo nanao ny asa fanafihana ny sabotsy teo. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireo polisy ka tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny i Jean Ferlin sy Jean Noel. Tratra niaraka tamin’izy ireo ny bala miisa roa, fitomboka roa an’ny biraom-pokontany Antanimalandy ary “puce” an’ny tambajotram-pifandraisana roa eto amintsika. Raha ny fampitam-baovao voaray dia i Jean no mpanafatra an’ireo namany avy any Toamasina izay hanao ny asa fanafihana any Mahajanga ary ity farany ihany koa no mampaniraka azy ireo amin’ny toerana tokony hotafihana. Fantatra ihany koa fa mampiasa anarana roa i Jean Ferlin ka Randrianantenaina Lemisy Jean Jacque no ampiasaina ao amin’ny taratasy fahazoan-dalana hamily fiara ireny. Voalaza fa ireto jiolahy tratra ireo dia anisan’ireo nanafika ny tranombarotra Mourinaly tao Mahajanga be ny sabotsy teo iny. Natolotra ny fampanoavana omaly talata izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.