Actualités

Fanafihana mitam-piadiana Jiolahy 6 voasambotra tao Ambatomanga- Arivonimamo


  • Alarobia 03 Desambra 2014

Ravan’ny zandary avy ao amin’ny tobin-janaparitra Ambatomanga, Distrikan’Arivonimamo ny andian-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana amin’iny faritra iny

. Nanafika tao amin’ny fokontany Imerina Avaratra, Kaominina Ambatomanga, izy ireo ny misasakalin’ny 05 novambra 2014. Trano roa no lasibatra tamin’izany ka nahaverezana vola mitentina efatra hetsy sy roa tapitrisa Ariary miaraka amina kojakoja sy zavamaneno ary finday. Basim-borona iray sy ody gasy maromaro no netin’izy ireo nanafika tamin’izany. Tsy nisy kosa ny aina nafoy. Rehefa nanao ny fanadihadiana ny zandary avy ao amin’ny tobin-janaparitra Ambatomanga dia tovolahy iray 23 taona no nosamborina ary ity farany no nitonona ny namany izay miisa 05. Nosamborina ny 26 novambra 2014 hariva tao Ambatomanga ireto jiolahy ireto ary natolotra ny fitsarana ny 01 desambra 2014 teo ary efa notazonina am-ponja vonjimaika.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT