Vola 10 tapitrisa Ariary vao avy nalaina tamin’ireny orinasa mpampindram-bola madinika ireny no lasan’ny jiolahy tao anatin’ny indray mipi-maso. Tany Sambava no niseho ny fanafihana ny herinandro teo, mpampianatra amina CEG no lasibatra
. Telolahy no nanafika tao an-tokantranony sady naka an-keriny azy niaraka tamin’ny vola amin’ny andro amin’ny enina ora sy sasany hariva. Nanao fanamiana zandary ny roa ary tsy nisy nisaron-tava. Nampiasa fiarakaretsaka ireo mpanafika ary narian’izy ireo teny an-dalana ilay voatafika. Naratra mafy ity farany saingy nisy tadidiny ny endrik’ireo nanafika azy sy ny toerana nidiran’izy ireo. Nametraka fitoriana izy nony naraina ny andro. Niainga teo ny fikarohana ary voasambotra ny iray tamin’ireo nanafika, izay voalaza fa mpitandro ny filaminana fantatra amin’ny solon’anarana “Bolo”. Nalefa aty Antananarivo izy io hatao fanadihadiana. Hatry ny omaly, tsy mbola tafaverina amin’ny tompony ilay 10 tapitrisa Ariary.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.