asa ny finday sy ny vola. Ireo no vokatry ny fanafihana mitam-basy tamina tranona Karana iray ao Ampamakiambato-Tolagnaro ny faran’ny herinandro iny, nataona andian-jiolahy miisa 8.
Andro takariva, sahabo ho tamin'ny 7ora30 no nitranga ny fanafihana. Ilay mpiambina no noteren'ireo jiolahy tamin-kery hitondra azy ireo tany amin'ilay “patron” karana. Tsy mbola tao an-trano anefa ity farany tamin’io fa ny vadiny no tao ka io no noteren'ireo jiolahy ny hamoaka vola. Vao nahazo izay notadiaviny ireo jiolahy dia nanao tari-dositra sady nanapoaka basy. Efa eo am-pelatanan'ny mpitandro ny filaminana ny raharaha. Efa misy ny voasambotra anaovana fanafihadiana.
OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.