Nifarana vonjimaika omaly talata ny fanadihadiana ireo andian’olona voalaza ho nanafika sy ny nandroba ary nanolana relijiozy tao Antsahatanteraka Antsirabe faharoa.
Nahatratra 30 ireo olona nosamborina ka natolotra ny fampanoavana. Raha ny tatitra nentin’ny mpitandro ny filaminana tamin’ny mpanao gazety dia tsy mbola afaka milaza izy ireo fa meloka ireo olona nohadihadiana ireo satria ny fitsarana ihany no afaka milaza izany, hoy ny kapiteny Ramilison Faneva. Nohamafisiny kosa fa nisy ny fiahiahiana amin’ireto olona ireto ny amin’ny mety nisian’ny fifandraisana tamin’ireo jiolahy ka nahafahana mbola nitazona azy. Nanamafy izany moa ny kaomisera Divizionera Talily Damy fa tsy mifarana akory ny fanadihadiana satria mbola misy ny olona karohana.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.