Tsy milamina ny tanŕna, tsy voaro intsony ny olona sy ny fananany ka mila hiraviravy tanana.
Notafihina andian-jiolahy mitam-basy andro antoandro ny kiôska iray fandefasana sy fakana vola amin’ny finday teny Andoharanofotsy. Namantana tao amin’ny “caisse” avy hatrany ny roa tamin’ireo jiolahy ary saika haka an-keriny ny vola. Tsy nanaiky mora izany anefa ny tao anatiny. Teo no nanomboka nipoaka ny basy, ka nandratra olona roa. Nindaosin’ny fahafatesana noho ny ratra nahazo azy ny iray na dia nialana nenina tany amin’ny hopitaly aza, izay tovolahy anisan’ny mpiambina ity kiôska ity. Nisahotaka ny manodidina. Niala ireo jiolahy, niisa dimy izy ireo nitondra basy poleta sy zava-maranitra, rehefa fantany fa niha-sarotra ny toe-draharaha. Nanapoaka basy izy ireo nialoha ny nialana teny an-toerana, sady nitsoaka niankandrefana. Nanara-dia sady nanenjika ireo jiolahy ny kartie môbila narahin’ny vatan-dehilahy sahy nanao vy very ny ainy, nampian’ny zandary notarihin’ny jeneraly Rakotomahanina Florens. Tra-tehaka teny Soavina Atsimondrano ny iray tamin’ireo jiolahy. Nifanenjehana nianatsimo ny sasany ary nifamaliana ny tifitra, ka tamin’izany no nahalavo ny iray. Niditra an-keriny tamina trano iray ny roa tamin’izy ireo rehefa tonga teny amin’ny Village Famonjena Anjomakely – Amboanjobe. Nohodidinin’ny zandary ilay trano. Tsy nanaiky hitolo-batana anefa ireo jiolahy na dia efa nandefasana vovoka manempotra sy lakrimôzena aza tao anatiny. Tapi-dalan-kaleha izy ireo ka ny nitifi-tena no fanapahan-kevitra noraisiny. Telo no maty tamin’ireo jiolahy, roa azo sambo-belona. Nisy zandary iray naratra voatifitra teo amin’ny sorony ary efa nahazo fitsaboana. Tsy ilaozan’ny mpanararaotra ny tranga toy itony. Maromaro tamin’ireo mpivarotra amoron-dalana no nitaraina ho very entana tao anatin’ny olona mifamoivoy rehefa nipoaka ny basy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.