10% -15%-n`ny fitarainana tonga eny amin`ny rafitra misahana ny ady amin`ny « cybercriminalité » no mifandray amin`ny fangalarana antontam-baovao na ny atao hoe « PIRATAGE ».
Tsy mbola anisan`ireo firenena atahorana amin`izany i Madagasikara fa kosa miha mahazo vahana eny anivon`ny tambajotra serasera. Amin`ny alalan`ny kaonty angalarina na “compte fake” na hanatanterahan`ireo olon-dratsy izany. Matetika io fangalarana sary sy momba ilay olona na resaka efa nifanoavana ka avy ireo antontam-baovao ireo no hatao « chantage ». Tsy amin`ny alalan`io ihany ny fangalarana antontam-baovao eto amintsika. Raha ny antontanisa voaray eo anivon`ny ARTEC dia iray hatramin`ny dimy isam-bolana no fantatra fa manao fanafihana informatika amin`ny fangalarana antontam-baovao ho an`ny orinasa lehibe, banky… Miainga amin`ny fanamafisana ny teny miafina ihany no ahafahana misoroka ny antontam-baovao tsy nahazoana alalana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.