Miverina indray ny fanafihana mitam-basy ao Antsirabe raha somary nangingina izany teo aloha. Nitragana fanafihana indray mantsy tao amin’ny fokontany Andrangy ny alin’ny Sabotsy lasa teo tokony ho tamin’ny 9 ora alina tany ho any.Trano niisa 3 no nasesin’ireo jiolahy tamin’izany izay voalaza fa nahatratra am-polony ireo mpanafika no sady nirongo basy Kalack niisa roar aha ny nambaran’ireo niharam-boina
Raha ny fantatra dia nahazoan’ireo jiolahy vola nanodidina ny 2 Hetsy Ariary ny trano notafihin’izy ireo voalohany ary tao amin’ilay trano farany koa sia tsy nisy afa tsy 7 Arivo ariary.Nitady fanampim-bola ireo jioalhy saingy nilaza ho tsy nisy intsony ny tompon-trano ka notifirin’izy ireo ny Fen’ilay raim-pianakaviana.Raha ny nambaran’ireo niharam-boina dia toa tifitra tsy nahy ihany na tsy voafehin’ireo jiolahy ny basy no nahavoa ity raim-pianakaviana ity satria toa nipoaka tampoka izany ilay izy ary tsy nikendrena olona akory.Vokany Bala 4 no nipoaka tao an-trano fotsiny. Voalazan’ireo niharam-boina ihany koa fa nifamaly ireo jiolahy satria nisy iray tsy nakasitraka ny nitifirana ilay rangahy tao an-trano, ary nahagaga aza dia namonjy ilay rangahy naratra koa ireo jiolahy sasany ary nanampy ilay ramatoa tompon-trano namehy ny ratra sy nanome baiko ny hitondra azy io haingana eny amin'ny hopitaly.Tombanan'ny fianakaviana moa fa mety ho olona mahalala tsara azy ireo no nahavita izao fanafihana izao, na nanome ny momba azy ireo. Mpivarotra mantsy izy ireo teoa loha, saingy efa tapa-bolana no niato kely izany nohon'ny fanitarana tokony hataony.Efa tonga tany an-toerana moa ny mpitandro filaminana ary efa misokatra ny fanadihadiana momba ity fanafihana ity.Tsaboina ao amin’ny hopitaly Atsimo kosa ilay raim-pianakaviana niharam-boina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.