Omaly alatsinainy vao mangirandratsy dia jiolahy telo nirongo antsy lava lela no nanafika ny tokantrano iray tao Tanambao Ambatondrazaka.
Tsy nihambahamba ireo jiolahy fa avy hatrany dia namono ireo izay nanelingelina azy tamin’ny fanatanterahana ny asa ratsiny. Lasibatra tamin’izany ny renim-pianakaviana iray, izay voakapa teo amin’ny ranjony. Noraofin’ireo olon-dratsy koa ny vola tahiry tao an-trano mitentina 400.000 ariary mahery sy ireo entana sarobidy rehetra. Rehefa azony izay nilainy dia lasa izy ireo nandositra. Nametraka fitarainana eny anivon’ny mpitandro ny filaminana ireo fianakaviana voaroba. Fa ankoatra io dia nahitana vaky trano sy halatra vorona ihany koa tany amin’ny fokontany Antanifotsy ka betsaka ireo entana lasan’ny jiolahy tamin’izany. Mandry andriranantsy ny mponina Ambatondrazaka tao ho ao izay, noho ny firongatry ny tsy fandriampahalemana any an-toerana. Miezaka mandray andraikitra ny mpitandro ny filaminana saingy tsy kely lalana ihany koa ny mpanao ratsy.
NiryA
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.