Noho ny tahotry ny vavam-basy dia tsy nisy sahy namonjy sy nanavotra ny niharam-boina ireo mpiara-monina teo an-tanàna, ka niliba tamin'ny asa ratsiny ireo jiolahy.
Nitrangana fanafihana mitam-piadiananahery vaika indray tany Ifaty distrikan'i Toliara II, afak'omaly. 8 lahy nirongo fitaovam-piadiana nahery vaika no nanafika toeram-pivarotana iray tany an-toerana. Tsy nionona fotsiny tamin'ny fandrobana ny vola telo tapitrisa ariary sy nandraoka ny volamena rehetra tao an-trano niampy entana sarobidy hafa ireo jiolahy, fa nitifitra ka tovolahy iray 19 taona zanaky ny tompon-trano no maty tsy tra-drano lavon'ny bala. Mbola novonoin'ireo olon-dratsy ihany koa ny reniny ka naratra mafy, raha ny fanazavany ny niharam-boina.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.