Actualités

Fanafenana an’i Tania kely Olona iray nidoboka am-ponja


  • Alarobia 20 Novambra 2019

Nokarohina tamin’ny alalan’ny finday nifampiantsoana no nahafantaran’ny polisy fa tany Antanifotsy i Tania kely ka hita afak’omaly atoandro ary tonga teto an-drenivohitra tamin’ny 5 ora harivan’ny alatsinainy teo.

 

 

Ny  sipan’ny dadany  ihany moa no naka an’i Tania, ilay zazavavy kely vao 10 taona monja nanjavona teny Avarabohitra Soavimasoandro ny 11 novambra lasa teo, rehefa avy nirava tamin’ny 11 ora atoandro tany am-pianarana. Raha araka ny fanazavan’ity Ramatoa renikelin’i Tania ity  tamin’ny mpitandro ny filaminana dia nisy famaliana faty ny dadan’i Tania no antony nanosika azy hanaotao foana tahaka izao. Nisy fotoana mantsy izy nitoe-jaza, raha ny fitantarany. Nampijalian-drain’i Tania fatratra anefa izy tamin’izany, hono,  novonoiny… ka afaka ilay zaza tao an-kibony. “Nataoko tsapany koa izany hoe : very zanaka izany”, hoy ilay vehivavy izay mbola nanamafy fa izay ihany no antony nitondrany an’i Tania nitsoaka. Na izany aza salama tsara izy. Tsy misy ahiana ny ainy. Raha ny vaovao farany dia nahazo fahafahana vonjimaika ny rehetra afa tsy ilay nitondra azy nitsoaka izay naiditra am-ponja vonjimaika.

 Pati sy Hajanirina

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT