Actualités

Fanadiovana sy fisamborana Sao dia tsy antonona intsony Antanimora sy Tsiafahy ?


  • Alatsinainy 04 Martsa 2019

Tsy antonona intsony Antanimora sy Tsiafahy, raha izay mpiasam-panjakana nanao afera no ampidirina am-ponja vonjimaika avokoa. Maneho endrika firosoana amin’ny fanadiovana ny fitantanan-draharaham-panjakana ny mpitondra ankehitriny.

 

 Raha tena tanterahina anatin’ny fanadiovana tena izy tokoa io, fa tsy misy ambadika politika, dia azo antoka fa maro no mety ho any Ambaniatsinanana ankoatra ireo mety ho very asa. Raha ny volam-panjakana very tamin’ireny rahateo mety tsy voakaonty intsony. Mandeha ny kitranoantrano samihafa amin’ny fampidirana mpiasam-panjakana. Ny kolikoly tsy ferana intsony, ary tato anatin’ny fanjakana roa farany nifanesy no tena nampanjaka izany, dia ny tetezamitan-dRajoelina sy ny fitondrana Rajaonarimampianina. Kazaran’ny tsy an-kitsitsy ny fanenjehana samihafa amin’izao eo anatrehan’ny raharaha maloto tamin’ny fitantanana raharaham-panjakana, saingy mandeha ila aloha io, ka ny olon’ny fanjakana HVM no tena lasibatra. Amin’ny endriny iray, dia toa tafiditry ny valifaty politika ny raharaha satria raha afera maloto sy kolikoly avo lenta izany, dia tsy vao izao efa nanjaka tamin’ny andron’ny tetezamita saingy tsy mba misy olony voakitika. Fomba fiady hoenti-mandresy lahatra ny mpamatsy vola fa miady amin’ny kolikoly sy mametraka ny fanjakana tan-dalàna sy tsara tantana ihany koa anefa ny tahaka izao.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT