Miisa 180 hatramin’ny omaly ireo onjam-peo sy fahitalavitra tonga nanao fanambarana momba ny antontan-taratasy eo am-pelatanan’izy ireo, teny anivon’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina.
Tapitra omaly mantsy ny fe-potoana nomen’ny minisitera hahafahan’ireo tompona haino aman-jery manatitra eny an-toerana ny antontan-taratasim-pisian’izy ireo. Araka izany dia hiroso amin’ny fizahana tsirairay ireo antontan-taratasy ny minisitera hahafahana mijery ireo tena manara-dalàna tokoa. Tafiditra ao anatin’izany ny sivana sy ny fampitahana ireo antontan-taratasy ary ny fampitoviana azy ireo. Araka ny fantatra mantsy dia maro tokoa ireo endrika tsy fanaharan-dalàna eo amin’ny haino aman-jery. Tafiditra ao anatin’izany ny tsy fanarahan-dalàna eo amin’ny taratasy, ny fivarotana izay tsy mazava na taratasy mifindrafindra tanana, ny fiverenana misokatra indray kanefa tsy mbola nahazo famerenana akory, ary ankoatra ireo ny lafiny teknika mikasika ny halavan’ny mari-drefy, sy ny tanjaky ny “emetteur” ampiasaina. Tsy midika akory izany ho anisan`ireo azo sokajiana fa ho ireo manara-dalàna tanteraka ireo onjam-peo sy fahitalavitra nanatitra ny antontan-taratasy manambara ny fisiany sy antom-pijoroany ireto fa tsy maintsy mbola hisy ny sivana sy fampitahana ary fampitoviana ireo antontan-taratasy ho an`ireo fahitalavitra sy ny eo anivon`ny minisitera. Nilaza ny teo anivon`ny minisitera tompon’andraikitra fa raha misy tompona orinasan-tserasera fa tsy ara-dalàna ny fahitalavitra na koa ny onjam-peony dia tokony hampiato ny fandaharana misy ao aminy izy. Tsy hakatona kosa fa hampiatoana ny fandaharana misy aloha satria tsy mety raha tsy mitovy ny mpiantsehatra rehetra. Afaka 10 andro eo moa no ho fantatra ny antontan’isa mazava mikasika izao fanaraha-maso natao izao, hahitana ireo haino aman-jery manara-dalàna sy ireo tsy manaraka ny fenitra.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.