Actualités

Fanadiovana faobe eny amin’ny fokontany Lasa bizin’ireo tompon’andraikitra


  • Alatsinainy 19 Desambra 2016

Raikitra ny fikomian’ireo mponina sasany teny amin’ny fokontanin’Ambohitrakely ny sabotsy teo nandritry ny fanadiovana faobe nasaina nataon’ireo mponina teny an-toerana.

Toy ny mahazatra ireo tompon’andraikitra dia vatran’izy ireo mihitsy no maniraka ireo mponina hanadio any amin’ireo fokontany manodidina ity toerana ity, toy ny fokontanin’i Mahatazana, Betongolo ary Avaradoha, raha ny fitarainan’ireo mponina. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa dia nisy tamin’ireo mponina no nilaza ho naheno fa misy amin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ity fokontany ity no manao fifanarahana ambadika sy maka vola mialoha amin’ireo mponina sasany izay manam-bola ary io no antony hanirahana ireo fokonolana hanadio ireo mponina any amin’ireny toerana ireny. Tsy vitsy ireo mponin’ity fokontany ity no nisafoaka ka avy dia niteny tamin’ireo tompon’andraikitra fa aleo ireo manodidina ny trano fonenany ihany no dioviny. Efa ela moa ny adihevitra mikasika ity resaka fanadiovana faobe eny amin’ny fokontany ity no niteraka fimenomenon’ny mponina satria dia karamaina avokoa na mpiasan’ny kaominina na ireo mpaka fako amin’ireny rafitra misahana ny fanadiovana ny tanàna ireny kanefa dia mbola ireo mponina efa sahirana amin’ny fitadiavany isan’andro ihany no mbola elingelenina amin’ny zavatra toy izany.

Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT