Miakatra ny feo eo amin’ny sehatrasa « Transit », na ireo orinasa misahana ny fandefasana na famoahana entana eny amin’ny seranana. Misy didim-pitondrana 35221-2015/MFB/SG…
navoakan’ny minisiteran’ny fitantanam-bola sy ny tetibola tamin’ny taon-dasa, hihatra manomboka ny 1 martsa 2016 hanadiovana ity sehatrasa ity. Anisan’ny voarakitra ao anatin’izany ny tsy maintsy handoavan’ny « Transitaire » vola antoka 20 tapitrisa Ariary any amin’ny Tahirimbolam-panjakana sy 20 tapitrisa Ariary hafa ihany any amin’ny banky. Manohitra ny hampiharana azy io ireo « Transitaires ». Nisy fivoriana fampitam-baovao mikasika an’io didim-pitondrana io, nataon’izy ireo tao amin’ny Motel Anosy ny sabotsy teo. Nambaran’izy ireo fa betsaka ny zavatra mifanipaka ao anatin’ilay didim-pitondrana. Amin’ny maha lalàna azy, dia tsy tokony hihatra amin’ireo orinasa efa nitsangana taloha ny fepetra, fa ho an’izay orinasa vao hitsangana aorian’ilay didim-pitondrana. Orinasa miisa 75 eo no mety hikatona vokatry ny ampiharana an’ity didim-pitondrana ity. Raha mampiasa olona 10 eo amin’ny ankapobeny ny orinasa iray, dia mpiasa 750 any no ho very asa ao anatin’izany. Efa nisy fifampidinihana nataon’ny solontenan’ireo « Transitaires » tamin’ny minisitry ny vola sy tamin’ny Tale jeneralin’ny ladoany saingy hatreto tsy mbola nivaha ny olana, higadona ihany anefa ny datin’ny 1 martsa 2016, hampanan-kery ilay didim-pitondrana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.