Vita ny fanadinana, nanara-maso izany ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly.
Nivoaka ny lisitr’ireo 1200 raisina mpianatra ho zandary. Efa mandeha ny fiofanana any Ambositra no mipoitra ny resaka ankehitriny fa misy tranga hafahafa mamofompofona kolikoly indray. Nitombo isa ireo mpianatra manaraka fiofanana, fa nisy mpianatra natao ankisisika. Misy ny lisitra fiandry amin’ny fanadinana handraisana mpiasam-panjakana toy itony, ka amin’io lisitra io no anoloana ireo miala an-daharana na satria mamoy ny ainy eo an-dalam-pianarana. Tsy voahaja anefa io lisitra fiandry io, ka mampisy ahiahy amin’ny fisiana kolikoly. Tonga eny am-pelatanan’ny Bianco ny raharaha. Nanokatra fanadihadiana mikasika izany ity farany ankehitriny.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.