Nivoaka ny alarobia alina teo ny fanadinana hidirana ho mpianatra ho polisim-pirenena. Miisa 750 isan-taona no raisina ka 650 “agent de police” raha toa ka 100 ireo mpianatra ho inspektera.
Ny volana mey no efa vita ity fanadinana ity ary tokony nivaly 3 volana taorian’izay saingy izao 5 volana aty aoriana vao izao nivoaka izao. Hiditra any amin’ny Sekolin’ny polisim-pirenena (ENIAP) any Antsirabe ireo 750 ireo ka hiaina ilay 45 andro, fotoana isan’ny tena mafy, hiatrehan’izy ireo ny sedra ara-miaramila. Haharitra enim-bolana ny fiofanana any an-toerana ary 5 volana kosa ny fampiharana aty an-drenivohitra. Betsaka no miahiahy fa tsy mangarahara ity valim-panadinana ity ka isan’ny nampitombo izany ahiahy izany ny tsy namoahana ny vokatra ara-potoana. Mandeha ny feo fa efa misy lisitra manokana avy amin’ny mpitondra ambony eto amin’ny firenena nampidirina tao. Efa ny ankamaroan’ny olona no tsy mahatoky intsony ny fangaraharan’ny fifaninanana toy itony ka isan’ny niteraka adihevitra ilay resaka fanomezana lisitra mialoha izay ho mpianatra manamboninahitra naha voatonona vadina manam-pahefana ambony eto amin’ny firenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.