Nitombo 20.000 be izao raha araka ny fanadihadiana ny isan’ireo mpiadina hiatrika ny fanadinana CEPE amin’ity taona 2016 ity ho an’Antananarivo manokana, misandrahaka amin’ireo DREN efatra mandrafitra azy dia ny DREN Analamanga, Itasy, Bongolava ary Vakinankaratra.
Raha 78.000 mantsy izany tamin’ny taon-dasa dia tafakatra 80.000 amin’ity taona 2016 ity raha araka ny fanazavan’ny dokotera Andriamampandry Todisoa Manampy, tale jeneraly misahana ny fampianarana fototra sy ny fahaiza-mamaky teny sy manoratra eo anivon’ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Raha ho an’Antananarivo Renivohitra manokana fotsiny indray dia tafakatra 29.000 isa ny mpiadina raha 27.000 tamin’ny taon-dasa. Nahitana fitomboana hatrany amin’ny 2.000 isa izany. Antony nahatonga io isa nitombo io moa ny ezaka nataon’ny minisitera tamin’ny fametrahana cantine scolaire sy ny famerenana ireo mpianatra nitsoaka an-daharana raha araka ny fanazavana azo hatrany. Mikasika ny fanamboarana ny laza adina indray dia fantatra fa nanomboka ny alatsinainy lasa teo no efa namolavola izany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, laza adina izay tsiahivina fa samy hanana ny azy ny isam-paritany fanovana napetraka efa ho enin-taona izao. Ny 05 Jolay ho avy izao moa raha tsiahivina no hotanterahina ny fanadinana CEPE manerana ny Nosy rehefa nifarana ny zoma lasa teo ny fisoratana anarana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.