Actualités

Fanabezana sy fampianarana Efa tena miezaka ny fanjakana, hoy ny filoha


  • Zoma 09 Septambra 2016

Tany Miarinarivo-Itasy no nanamarihana tamin’ny fomba ofisialy ny faha-50 taonan’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fahaizana mamaky teny sy manoratra omaly alakamisy 8 septambra.

 

 “Mamaky ny lasa, manoratra ny ho avy” no lohahevitra tamin’ity taona ity, zava-dehibe tokoa ho an’ny tsirairay sy ho an’ny fampandrosoana ny firenena ny fahaizana mamaky teny sy manoratra, hoy ny filoha Hery Rajaonarimampianina, izay tonga tany an-toerana omaly. Nampahatsiahy ny ezaka ataon’nyfitondram-panjakana eo amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny fampianarana ny filoha. Eo, ohatra, ny fandraisana mpampianatra FRAM, ny fizarana fitaovam-pianarana ho ana mpianatra 4,5 tapitrisa manerana ny nosy. Notokanana io omaly io tao Miarinarivo ihany koa ny biraom-paritry ny  mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy. Handinika sy hanadihady ireo raharaha mahakasika ny vehivavy sy ny ankizy ity sampandraharaha iray ity ary hojerena manokana ny mahakasika herisetra ara-nofo mahazo ny ankizy, hoy ny minisitry ny mponina, Onitiana Realy.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT