Nifarana ny sabotsy 3 septambra 2016 lasa teo ny zaikaben’ny Antilin’i Madagasikara notontosaina tao Manakara, Diosezin’i Farafangana.
Sady zaikabe faha-10 no zaikabe voalohan’ny taona arivo fahatelo izy ity, niompana tamin’ny fakan-kevitra sy ny fandrafetana ny soridalan’ny fikambanana ho an’ny taona 2017-2020, ho fampitana ny fanabeazana ny zatovolahy katolika mirotsaka ao amin’ity fikambanana skotisma ity. Havondrona ho iray ireo fehin-kevitra azo ka hatolotra ny filankevitra Nasionaly sy ny rafitra mpanapa-kevitra amin’ny fivoriambe izay hatao any amin’ny Diosezin’i Miarinarivo ny faramparan’ny volana janoary 2017 ho avy io ary hampiharina eo anivon’ny fikambanana aorian’izay. Ho an’ny Antilin’i Madagasikara moa raha ny momba io vina io dia hiompana amin’ny fampivelarana ny fikambanana ka mba ahasarika ny tanora sy ny zatovo izy ireo ary hivelatra sy hiseho kokoa eny anivon’ny fiarahamonina sy ny firenena, hahafehy ny lafiny fifandraisana maoderina ary hiaina ny fanabeazana skoto ao anatin’ny fahasamihafana. Any Miarinarivo indray izany no hifamotoana ireo tompon’andraikitra ny faran’ny janoary 2017 ho avy io.
Caïus R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.